– Nanolotra fitaovana ho an’ny polisimpirenena Malagasy ny governemanta Amerikana ny Alarobia 25 Martsa 2026, tohin’ny fanavaozana ireo fitaovana fanaraha-maso ny fivezivezena eny amin’ny sisin-tany na PISCES mitentina 1 000 000 dolara amerikana (4 180 000 000 Ariary). Ny Lefitry ny Masoivoho mpisolo toerana Richard Hays no nanolotra ireo fitaovana ireo ho an’ny Polisimpirenena Malagasy ka nandray izany ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Controleur General de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor teny amin’ny masoivoho amerikana, Andranomena.
– “Manampy amin’ny fisorohana ny fivezivezen’ireo tambajotran-jiolahy mialohan’ny hiondranan’izy ireo amin’ny fiaramanidina na hihazo seranan-tsambo izao fanamafisana ny fanaraha-maso ny sisintanin’i Madagasikara amin’ny alalan’ny teknolojia amerikana izao” hoy ny Lefitry ny Masoivoho mpisolo toerana Richard Hays.
– Na ireo polisy misahana ny sisin-tany vaovao na ireo efa amperinasa dia samy manaraka fiofanana momba ny fampiasana tsara ireo fitaovana avo lenta ireo. Firenena maro manerantany no efa mampiasa ny PISCES.
– Mitondra fanavaozana amin’ny fitantanana ny sisin-tanin’i Madagasikara ny fampiasana azy sady hanamafy ny ezaka iombonana amin’ny ady amin’ny heloka bevava iraisam-pirenena sy fiarovana ny firenena roa tonta.

MASOIVOHO AMERIKANA – POLISIMPIRENENA MALAGASY : MANAMAFY NY FIARA-HAMIASA.

Vous pourrez aussi aimer