– Ady amin’ny asan-jiolahy.
– Nanao hetsika manokana hiadiana amin’ny asan-jiolahy sy hanafoanana ny tsy fandriam-pahalemana hatrany ny Polisimpirenena ao amin’ny Faritra Boeny. Tranga roa samihafa no voavaha taorian’ny fandraisan’andraikitra haingana natao.
– Tao Mahavoky Nord, ny 27 martsa 2026, olona roa no voasambotra, izay tompon’antoka tamin’ny famonoana vehivavy iray tompona toeram-pisotroana rehefa nisy disadisa, fantatra fa misy rohim-pihavanana eo amin’izy ireo.
– Ny alin’ny 23 martsa 2026 no nitrangan’ity vono olona ity rehefa nifanditra mafy tao anaty hamamoana ireo voarohirohy sy ilay niharam-boina, ka niafara tamin’ny famonoana.
– Tao Marovoay, vehivavy iray nitondra zaza vao teraka nalaina an-tsokosoko tao Amborovy Mahajanga no voasambotry ny Polisimpirenena. Vokatry ny asa haingana nataon’ny Polisy dia voasakan’izy ireo tamin’ny lalam-pirenena faha 04 ilay vehivavy nitondra ilay zaza.
– Nentina tsaboina avy hatrany ilay zaza menavava, ary mitohy ny famotorana ahafantarana ireo rehetra mety ho voakasika amin’ny raharaha.
– Manamafy ny Polisimpirenena ao Boeny fa mbola hitohy hatrany ny hetsika ataony ho fiarovana ny vahoaka sy ho fisorohana ny asan-jiolahy ao amin’ny fari-piadidiany.
