🚔 Ady amin’ny herisetra sy fiarovana ny olona marefo
📍 Nahazo antso ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Ankofafa ny 01 Novambra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, fa nisy mpivady niady tao an-tranony tao Talatamaty, efa nandritra ny fotoana maharitra.
🚨 Rehefa tonga teny an-toerana ny Polisimpirenena dia efa tsy nisy aina intsony ilay vehivavy 35 taona. Fantatra fa bevohoka fito volana izy.
👮 Araka ny fizahana teny an-toerana dia hita fa novelesin’ny vadiny tamin’ny seza ny lohany, ka nahatonga ny fahafatesany.
đźš“ Nosamborina avy hatrany ilay vadiny hanaovana fanadihadiana. Hatolotra ny fampanoavana izy rehefa vita izany.
📢 Entanina hatrany ny rehetra fa tsara kokoa ny mifandefitra sy mifampihaino rehefa misy ny disadisa. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana mba hisorohana ny herisetra.

FIANARANTSOA : LEHILAHY NAMONO NAHAFATY NY VADINY NOHO NY DISADISAN-TOKANTRANO, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer