👉 Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
đź‘® Nandritra fidinana ifotony sy fitsirihana nataon’ny Polisimpirenena. Tafiditra ao anatin’ny hetsika manokana entina miady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina izay tarihin’ny Fitaleavam-paritry Filaminambahoaka Analamanga dia olona miisa 04 no voasambotra.
🎯 Olona telo mpivarotra sy mpifoka rongony no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria Mahamasina tetsy Anosibe, ny Alatsinainy 02 Novambra 2026 tokony tamin’ny 4 ora tolakandro. Fonosa rongony Miisa 76 no tratra teny amin’izy ireo rehefa natao ny fisavana.
🛎 Tetsy ankilany, ramatoa iray mpivarotra rongony, no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Sampana miady amin’ny zava-mahadomelina (STUP) eo anivon’ny DRSP Analamanga.
👮‍♂️ Rongony milanja 15 kg sy fonosana miisa 879 no tratra tao an-tranony.
⛓ Noentina namonjy ny Biraon’ny Polisy izy ireo hanaovana fanadiadiana alohan’ny anolorana azy ireo any fampanoavana.
ANTANANARIVO RENIVOHITRA : OLONA MIISA EFATRA MPIVAROTRA SY MPIFOKA RONGONY NO VOASAMBOTRY POLISIMPIRENENA
