TAOM- PAMBOLEN-KAZO 2021 : POLISIM-PIRENENA MIARO NY TONTOLO IAINANA

« Izay mamboly hazo manavotra firenena, izay mandoro ala mandoro tanindrazana ». Io no teny filamatra ho an’ny taom-pambolen-kazo 2021 izay nosokafan’ny Filoham-pirenena tamin’ny fomba ofisialy tao Tolagnaro ny 19 janoary lasa teo.

Ho fanatanterahana ny vina izay napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny famerenana indray n firenena Malagasy ho Nosy Maitso dia namboly hazo teny Imerintsiatosika ny Polisim-pirenena androany ka zanan-kazo miisa 4000 no novolena tamin’izany. Izany hetsika izany dia notarihin’ny Minisitry ny filaminam- bahoaka sy ny vadiny ary notronon’ny Ramatoa Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy .

Tsara ny manamarika fa tsy ny Polisy teto an-drenivohitra ihany no nanatanteraka ny fambolen-kazo fa efa nisy ihany koa ny faritra nahavita izany toy ny :

Faritra Itasy nahavita namboly zanan-kazo miisa 28 000

Faritra Analanjirofo namboly zanan-kazo miisa 6000

Faritra Atsimo Andrefana namboly zanan-kazo miisa 3200

Faritra Atsinanana namboly zanan-kazo miisa 3000

Faritra Melaky namboly zanan-kazo miisa 2000

Faritra Menabe namboly zanan-kazo miisa 2000

TAOM- PAMBOLEN-KAZO 2021 : POLISIM-PIRENENA MIARO NY TONTOLO IAINANA

Vous pourrez aussi aimer