FISONDROTANA GALONA EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA : MIISA 21 IREO POLISY NAHAZO IZANY

Araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filan-kevitrin’ ny governemanta ny faha 06 janoary 2021 lasa teo dia manam-boninahitra ho Polisy miisa 21 no nahazo fisondrotana galona :

Ny 02 tamin’izany dia nampiakarina ho eo amin’ny gradin’ny Contrôleur Général de Police,

Ny 03 nahazo ny grady ho Commissaire Divisionnaire de Police,

Ny 03 hafa nampiakarina ho Commissaire Principal de Police,

Ary ny 13 ambiny kosa nahazo ny grady maha Commissaire de Police de 1ère Classe.

Fotoana ihany koa nampahafantarana ireo Polisy izay nahazo galona ny andraikitra sy adidy miandry azy ireo mifandraika amin’ny fanatanterahana ireo paika sy vina napetraky ny Filoham-pirenena eo amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

FISONDROTANA GALONA EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA : MIISA 21 IREO POLISY NAHAZO IZANY

Vous pourrez aussi aimer