đZatovolahy miisa efatra, 15 taona ny zokiny ary 14 taona ireo ambiny, no voasambotry ny Polisy miasa ao aminâny kaomisaria Maevatanana ny alinâny sabotsy 09 sy ny alahady 10 novambra 2024, noho ny famonoana olona niniana natao.
đRaha tsiahivina dia nahitana fatinâolona iray teo akaikinâny « pylone » tanĂ nanâAntaninandro ao anatinâny Kaominina ambonivohitrâi Maevatanana ny sabotsy 09 novambra 2024 tokony ho taminâny 11 ora maraina. Nidina avy hatrany teny an-toerana niaraka taminâny mpitsabo mba hanao ny fitsirihana ny polisy.
đTsikaritra fa nisy ratra lalina miisa sivy nateraky ny tsindrona taminâny zava-maranitra, ary nisy faritra boribory teo aminâny ilany havia aminâny kibony. Nanao fikarohana ny mpitandro ny filaminana ka voasambotra ny zatovolahy miisa efatra izay niaiky fa tomponâantoka taminâny famonoana.
â
Ny 12 novambra 2024 dia natolotra ny fampanoavana izy efatra ka naiditra vonjimaika am-ponja ao Maevatanana.
