CSP1-FIVAROTANA TANIN’OLONA ANATY FB : MPISOLOKY HO TOMPON’NY TANY , MPANERA, MPIASAN’NY FANANAN-TANY,ARY FILOHAM-POKONTANY TSY AM-PERINASA SAMY NOSAMBORIN’NY POLISY AVOKOA

??Vehivavy 01 milaza manana tany mirefy 1100m2 no naka mpanera hivarotra ilay tany. Rehefa raikitra ny fifanarahana dia amidin’ilay mpanera amin’ny vidiny 120 000 ar/m2 ilay tany raha toa kosa ka 80 000 ar/m2 no tena hamarotan’ilay vehivavy milaza ho tompon’ny tany.
??Nalefan’ilay mpanera tamin’ny fb ary ilay tany hovarotana. Gaga ny olona 01 nahita ilay taniny novarotana tao anaty tambazotra ka nanatona manam-pahefana avy hatrany. Rehefa voamarina fa an’ity olona ity tokoa ilay tany dia nanokatra fanadihadiana ny Polisy ka nanao ny vela-pandrika hahazoana ireo olona mpisoloky.
??Tratra teny Alasora ilay vehivavy milaza ho tompon’ny tany sy ny mpanera miisa 02 ary ny mpiasan’ny fananan-tany 01 izay voalaza fa nanampy tamin’ny fanamboarana ilay taratasy hosoka milaza fa an’ilay vehivavy ny tany.
Nandeha ihany ny famotorana ka tratra ihany koa ilay mpanera nivarotra ny tany tao anaty fb sy ilay filoham-pokontany izay mpanao sy mpanasonia ilay taratasy hosoka nomena ilay vehivavy mpisoloky.
➡️ Rehefa noentina teny anivon’ny fitsarana ny raharaha dia miisa 08 ny olona voarohirohy tao anatin’ilay fangalarana tany ka ny 04 no nidoboka am-ponja vonjimaika ary ny 04 kosa nahazo fahafahana vonjimaika.

Sary : CSP Analakely

CSP1-FIVAROTANA TANIN’OLONA ANATY FB : MPISOLOKY HO TOMPON’NY TANY , MPANERA, MPIASAN’NY FANANAN-TANY,ARY FILOHAM-POKONTANY TSY AM-PERINASA SAMY NOSAMBORIN’NY POLISY AVOKOA

Vous pourrez aussi aimer