FILAZANA FIKAROHANA

Ireto olona hita amin’ny sary ireto dia mpisoloky avokoa. Efa maro ny olona tratran’izy ireo indrindra ireny olona mpandeha amin’ireny toerana fialamboly ireny ( bar, karaoké…) . Mody hampireven’izy telo lahy ireo olona jonoiny no sady mampidera vola izy ireo. Rehefa revon’ ny fampirevena eo dia mafana ny resaka ka milaza izy ireo fa mpampiasa vola no sady mampitombo izany ihany koa raha vonona hiara-hiasa azy ireo ilay olona dia manome vola hiarahana mampiasa ary ho averina avo roa heny. Betsaka no voafitaka amin’ny resaka ataon’izy ireo ka manome fahatokisana azy telo lahy ka dia manome vola azy ireo . Rehefa mandeha anefa ny fotoana dia sady tsy re antso no tsy hita izy telo lahy.

Toy izao ny mombamomba azy ireo :

Anarana : RANDRIATIANA

Fanampiny : Setra Braham

Teraka tamin’ny : 11 mars 1998

Toeram-ponenany farany : LOT 151 I Ambohidrapeto Itaosy

ANARANA : SIRINDAHY

FANAMPINY: ROLLAND DIDIER

Teraka tamin’ny: 23 mars 1989 A FENERIVE EST

Toeram-ponenany farany: LOT 999 PLLE 13/35 TANAMBAO V TOAMASINA

ANARANA : DYLAN ( izay ihany no fantatra momba azy hatreto)

Ny Polisim-pirenena dia manome toky fa tanana ho Tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao.

Ampahafantarina ny rehetra fa izay mampiantrano na mitahiry na manafina olon-dratsy dia naman’ny mpiray Tsikombakomba aminy ka tsy maintsy hohenjehana amin’ny lalàna.

Iangaviana izay mahita na mahalala ireto olona manaraka ireto mba hampandre ny Service Central de la Surveillance du Territoire Anosy (Bâtiment DGPN Anosy porte 249)

na hiantso ny laharana 034 14 286 54

FILAZANA FIKAROHANA

Vous pourrez aussi aimer