✅ Nanomboka androany teny Ankorondrano ny atrikasam-pirenena entina mamolavola ny rafi-dalàna nasionaly mifehy ny fanaraha-maso ny varotra sy fifanakalozana manan-danja amin’ny sehatra sivily sy miaramila. ✅ Tonga nanokatra ny fotoana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin.
