LEHILAHY MPIDOROKA RÔRÔ MIISA EFATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FITANANA SY FIDOROHANA ITY ZAVA-MAHADOMELINA MAHERY VAIKA ITY TETSY ANTOHOMADINIKA.

– Ady amin’ny fidorohana sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina. – Lehilahy miisa efatra no voasambotry ny Sampandraharaha Miady amin’ny Zava-mahadomelina Anosy (STUP) ny Alatsinainy 05 Janoary 2026 tetsy Antohomadinika, noho ny fidorohana sy fitanana zava-mahadomelina mahery vaika rôrô. – Vaovao avy amin’ny

MAHAJANGA : OLONA 22 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA MIASA AO MAHAJANGA NANDRITRA NY FANKALAZANA NY FETIN’NY FARAN’NY TAONA SY NY TAOM-BAOVAO.

– Ady amin’ny halatra isan-karazany sy ny tsy fandriampahalemana. – Nahitam-bokany ireo fepetra noraisin’ny Polisimpirenena tao Mahajanga nandritra ny fametrahana fandriam-pahalemana tamin’ny fankalazana ny fety faran’ny taona 2025 sy ny taom-baovao 2026. Olona roa amby roapolo (22) no voasambotra noho

TAOM-BAOVAO 2026 : NITETY IREO SAMPAN-DRAHARAHA SY TOBY MISY NY POLISIMPIRENENA ETO ANTANANARIVO, NIHAONA MIVANTANA TAMIN’IREO POLISY SY NIRARY SOA ARY NANKAHERY AZY IREO NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA.

– Nitarika ny « rassemblement général » nataon’ny Polisimpirenena teto Antananarivo, teny amin’ny foibem-pibaikoana ny Polisimpirenena Anosy, ny Commissariat Central Tsaralalàna ary ny Tobin’ny FIP Antanimora ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA EO ANOSIZATO : NIJERY NY FOMBA AHAFAHANA MANAMAIVANA IZANY IREO TOMPON’ANDRAIKITRA AVY AMIN’NY POLISIMPIRENENA NOTARIHIN’NY TALEM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA ANALAMANGA

– Famahana ny olan’ny fifamoivoizana. – Nametraka rindran-damina hiarahana ny Polisimpirenena sy ny Zandary miasa amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1) mba hahafahana manamaivana ny fitohanana misy eo Anosizato. – Hampitomboina ireo Polisy miasa eny an-toerana ary ho hentitra kokoa manoloana ireo

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : NANAO FANENTANANA HO AN’NY MPAMPIASA LALANA REHETRA NY POLISIMPIRENENA NY ALIN’NY 31 DESAMBRA 2025 SY NY 1 JANOARY 2026.

– Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy famporisihana amin’ny fanarahan-dalàna. – Ny 01 Janoary 2026 dia nanao hetsika mahakasika ny fanarahan-dalàna sy ny fanentanana momba ny voka-dratsin’ny fahamamoana eo am-pamiliana ireo Polisimpirenena avy ao amin’ny Brigade des Accidents de la Circulation (BAC)

FAMARANANA NY TAONA 2025 SY FITSENANA NY TAONA VAOVAO 2026 : MIASA HATRANY NY POLISIMPIRENENA MIARO SY MANAMPY NY VAHOAKA MBA HIFETY AM-PILAMINANA, NIDINA IFOTONY NANKAHERY IREO POLISY TENY AN-KIANJA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA.

– Nanatanteraka fidinana ifotony teto an-drenivohitra ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny alin’ny 31 Desambra 2025, izay notarihan’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa. – Nanaovana fisafoana avokoa ireo faritra be