TAMBAZOTRA IRAY, MPANDEFA MPIASA MALAGASY ANY IVELANY, AMIN’NY ALALAN’NY ANTONTAN-TARATASY HOSOKA, NO RAVAN’NY POLISY AVY AO AMIN’NY SAMPAN-DRAHARAHA MISAHANA NY FANADIHADIANA MANOKANA SY MIADY AMIN’NY HOSOKA

Ady amin’ny hosoka sy famarinana olombelona -Vehivavy miisa 2 , izay voafitaka tamina tolotr’asa mankany Maurice no nitaraina ary nametraka fitoriana teo anivon’ny sampan-draharahara misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin’ny hosoka eto anivon’ny Polisimpirenena ny 31 Jolay lasa teo.

NITONDRA FISAORANA HO AN’IREO POLISIMPIRENENA NIASA NANDRITRA NY SADC NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

-Notsindrian’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, manokana nandritra ny fihaonany mivantana tamin’ireo Polisimpirenena niasa tamin’ny fivoriam-ben’ny SADC, ny haitarika miavaka nentin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nitantanana ireny fotoana ireny ary nahavoafidy azy ho Filoha mpitantanana ny