Nitrangana doro tanety tao Amparafaravola ny sabotsy 06 septambra 2025 tokony tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro.
-Nahazo antso avy amin’ny mponina ny Polisimpirenena ao amin’ny Kaomisaria Amparafaravola fa nisy afo efa miely namely ny faritra La Grotte Amparafaravola.
-Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-nisy sy nanao fanampiana ny Polisimpirenena misahana ny vonjy taitra (Police Secours). Niara-nisalahy tamin’ny fokonolona sy ny lehiben’ny Fokontany Ambodihasina ary ny talen’ny JIRAMA Amparafaravola, niampy ireo Polisimpirenena miasa any an-toerana, izy ireo mba hamonoana ny afo.
-Vokany, tamin’ny 04 ora tolakandro dia voafehy tanteraka ilay doro tanety. Araka ny tombatombana natao, manodidina ny 3 hektara ny velaran-tany kilan’ny afo.