Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka.
-Nosokafana ny faha 08 septambra 2025 teny amin’ny Toby RAZAFINDRAZAKA Bertin ary haharitra efatra andro ny fampiofanana manokana ho an’ireo Polisimpirenena miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izay notarihan’ny talen’ny Fikarohana sy Fiofanana Mitohy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RASOAMANANJARA Pierrette Marie Françoise.
-Polisimpirenena miisa 20 mianadahy no misitraka ity fampiofanana ity.
Fiarahamiasa avy ao amin’ny ONUDC na ny Office des Nations Unies contre la Drogue et le Crime no nahazoana izao fiaraha-miasa izao.
-Manampahaizana manokana miisa roa avy amin’ny FBI amin’ny fanaovana ny fanadihadiana manoloana ireo tranga fanararaotana ara-nofo atao amin’ny zaza tsy ampy taona sy ny famarinan’olombelona no nanome ny fiofanana.
FAMPIOFANANA IREO POLISIMPIRENENA MIASA ENY AMIN’NY SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO AMIN’NY ADY ATAO AMIN’NY FAMARINAN’OLOMBELONA SY NY FANARARAOTANA ARA-NOFO ATAO AMIN’NY ZAZA TSY AMPY TAONA.