Ady amin’ny halatra sy vaky trano
– Ny 25 septambra 2025 maraina tamin’ny 02 ora, naharay antso ny ekipan’ny UIR Tolagnaro fa nisy olona niditra an-keriny tao amin’ny toeram-pivarotana iray ao amin’ny fokontany Tanambao.
– Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy ary tratra ilay voalohany nandrava rindrina tamin’ny « barre à pince ».
– Nahatsikaritra ny fisian’ny Polisy ilay namany, nandositra nitsambikina tamin’ny tamboho, saingy voasambotra ihany fa tsy lasa lavitra.
– Nandritra ny fanadihadiana, fantatra fa nisy naniraka ireo olona roa ireo hanao izao asa ratsy izao ary voasambotra io maraina io tamin’ny 05 ora ihany.
– Notazonina teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo hanokafana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

TAOLAGNARO : HALATRA MIHARO VAKY TRANO RAVAN’NY POLISIMPIRENENA, OLONA 03 VOASAMBOTRA

Vous pourrez aussi aimer