🔹 Ady amin’ny halatr’omby
🚔 Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSP Besalampy ny marainan’ny 12 novambra 2025, tao amin’ny faritra Ambaravaranala, Fokontany Besalampy Ambany no naharay fitarainana ny Polisy mikasika omby tsy hita nanomboka ny 24 oktobra 2025.
👮 Araka ny fampitam-baovao azo, dia hita tao amin’ny tsenan’omby ao amin’ny Kaominina Bekodoka, Distrikan’i Besalampy, ilay omby voalaza fa very.
📢 Rehefa natao ny fanamarinana sy fanadihadiana teo an-toerana, dia fantatra fa 05 ny omby tratra tsy nisy taratasy manamarina ny fihaviany.
🚔 Nentina tao amin’ny Kaomisarian’ny Besalampy ireo omby miisa 5 tratra sy ilay lehilahy nahatrarana izany mba hanohizana ny famotorana sy fanadihadiana amin’ny antsipirihany.

LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRA NOHO NY FIVAROTANA OMBY TSY MISY TARATASY TAO BESALAMPY

Vous pourrez aussi aimer