– Ady amin’ny halatra isan-karazany
– Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria boriboritany faha 07, 67 HA tao Andohatapenaka III ny lehilahy iray nangalatra moto scooter ny maraim-ben’ny 25 Febroary 2026 .
– Moto misy GPS ity nangalarin’ity lehilahy ity ka noraisim-potsiny izy ary tratra tany aminy ilay moto halatra.
– Natolotra ny Fampanoavana ny Sabotsy 28 Febroary 2026 ny raharaha ka nidoboka am-ponja ity mpangalatra moto ity.