– Ny 26 Febroary 2026, lehilahy iray no voasambotry ny Polisimpirenena noho ny vaky trano. Tratra namoaka fahita lavitra tao amin’ny tokantrano iray tao Sakambahiny Ambanilalana ity lehilahy ity ka nandositra raha vao nahita ny tompontrano. Tratran’ny Polisimpirenena izy taorian’ny fikarohana.
– Ny 27 Febroary 2026 atoandro, lehilahy iray hafa no voasambotra noho ny sinto-mahery teny Marobiby. Niantso vonjy Ilay niharam-boina ka tratra tsy lavitra teo izy noho ny fiarahamientan’ny fokonolona sy Polisimpirenena.
– Natolotra ny Fampanoavana ny 02 Martsa 2026 izy roalahy ireto ary naiditra am-ponja vonjy maika teny Antanimora.