– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra

‎- Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha hoy ny Ntaolo malagasy. Tsy mba toy izany ny fisainan’ireto jiolahy ireto fa rehefa nihevitra izy ireo fa mangingina ny tanàna dia nikasa hianika tambohon’olona an-tsokosoko. Tao Fiofio Mahajanga no nitrangàn’izany ny alin’ny 15 Martsa 2025.
-Nisy nahatsikaritra anefa izany ka nampandre ny Polisy ireo manodidina. Tonga haingana teny an-toerana ny Polisin’ny UIR Mahajanga izay nanao fisafoana teny akaiky teny ihany ka nifanehatra tamin’ireo jiolahy.
‎Nanohitra sy nikasa hamely tamin’ny antsibe teny aminy ny iray tamin’ireo jiolahy ka tsy maintsy niaro tena ny Polisy. ‎
‎- Ny vokatr’izany :
‎Jiolahy iray maty voatifitra tao anatin’ny tokotany. Tratra sambo-belona ny iray ary efa nentina any amin’ny Kaomisaria Foibe, mbola mitohy ny fikarohana ny namany Tafaporitsaka.
‎- Voasoroka araka izany ny asa ratsy saika hataon’ireto jiolahy ireto noho ny firaisan-kina misy eny amin’ny fiarahamonina, manentana ny vahoaka hatrany ny Polisimpirenena mba tsy hisalasala hiantso sy hampandre raha misy tranga mampiahiahy.

 

MAHAJANGA : JIOLAHY IRAY MATY VOATIFITRY NY POLISY, IRAY VOASAMBOTRA.

Vous pourrez aussi aimer