– Ady amin’ny heloka bevava iraisam-pirenena (Crime Transnational Organisé)
– Nahazo angom-baovao ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Service Central de la Surveillance du Territoire na ny sampandraharaha manara-maso ireo vahiny mivezivezy eto Madagasikara, fa misy orinasa mampiasa tera-tany vahiny am-polony maro ao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray eny Ambatomirahavavy, ary voalaza fa mampiahiahy ny fijoroan’io orinasa io sy ny maha ara-dalàna izany.
– Nanao ny hetsika fidinana ifotony teny an-toerana ny Polisimpirenena ny 19 sy 20 Martsa 2026 ka teratany vahiny miisa 83 avy amin’ny firenena maro samihafa no voasambotra, ary vehivavy ny 09 amin’izy ireo.
– Nahitàna solosaina 170 isa tao amin’ilay toerana nandritra ny fisavana. Hita ihany koa fa tsy nahafeno fepetra ara-dalàna momba ny taratasy fahazoan-dalana hipetraka sy hiasa eto Madagasikara avokoa ireo tera-tany vahiny ireo.
– Notazonina hanaovana famotorana ireo voasambotra ary nogiazana kosa ny fitaovana rehetra tao an-toerana mba hahafahana mitsirika izany.
– Niara-nisalahy akaiky tamin’ity hetsika ity ny Polisin’ny DCM (Direction du Contrôle des Migrations) Anosy sy ny Birao Foiben’ny INTERPOL eto Madagasikara.
– Manamafy ny Polisimpirenena fa tsy mandefitra amin’ny ady amin’ny heloka bevava iraisam-pirenena (Crime Transnational Organisé) mba tsy hahatonga an’i Madagasikara ho fialokalofan’ny olon-dratsy sanatria.
– Ny Politikan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka dia mamporisika sy manohana tanteraka ny fampiasam-bola vahiny eto Madagasikara, saingy manentana ireo teratany vahiny miditra eto Madagasikara mba hanaraka ny lalàna mifehy ny fifindra-monina sy hanaja ny lalàna mifehy ny asa sy ny orinasa.
