– Natomboka teto Antananarivo nandritra ny roa andro eny amin’ny Fitaleavana misahana ny fikarohana sy fampiofanana mitohy (DRFC) eny Antanimora, ny 24 – 25 Martsa 2026 ny atrikasa momba ny ady amin’ny kolikoly ho an’ireo lehibena sampandraharaha ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka. Hihitatra any amin’ireo Fitaleavam-paritra izao atrikasa izao aoriana.
– Tafiditra anatin’ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehana sy paikady ara-politika entina hiadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny Polisimpirenena izao atrik’asa izao.
– Miompana amin’ny famantarana sy famakafakana ireo tranga mety hiteraka kolikoly sy ireo vahaolana entina misoroka izany, sady ho fanomanana ny fametrahana ireo rafitra miady amin’ny kolikoly na Dispositifs Anti-Corruption (DAC) ny atrikasa.
– Fiaraha-miasa akaiky amin’ny Birao Nasionaly Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) sy ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka no nahafahana nanao izao.
– Nandray anjara tamin’izao atrik’asa izao ireo lehiben’ny sampandraharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny Polisimpirenena izay nahazo tombontsoa mivantana tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaony.
– Ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika Vololonandro, Coordonateur, Cheffe de l’inspection Générale de la Police Nationale no nanokatra ny atrikasa, ka notsindriany fa zava-dehibe ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly mba hampanjakàna hatrany ny mangarahara sy ny fahitsiana eo amin’ny asan’ny Polisimpirenena ary natao ny fomba rehetra hanatanterahana ny vina napetraka mba ho Polisy miova sy mihavao ary mahomby sady lavitry ny kolikoly.
– Nanotrona izany koa ny Commissaire Principal de Police RAKOTOARISOA Faramalala, « Directeur Territorial BIANCO » eto Antananarivo , ary ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena sy ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss, Tale ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC).
– Tao anatin’izany dia nisy lahadinika sy fifanakalozan-kevitra notarihin’ny mpampiofana » Ramatoa RAHARINORO Soloherilala, Conseiller principal à la Coordination de la Prévention ao amin’ny Direction Générale du BIANCO » izay nibahana tanteraka amin’ ny famantarana ireo tena antony fototra mahatonga ny kolikoly sy ireo olona eny ifotony mety ho voakasika amin’izany.
– Ny tanjona dia ny hahitàna vahaolana mazava sy hampiarana hatrany ny « Tolérance zero » hanamafisana ny mangarahara eo amin’ny asa ataon’ny Polisy.







