-Ady atao amin’ny heloka anabaka mahakasika ny herisetra ara-nofo atao amin’ny zaza
-Nifarana ny Zoma 17 Martsa 2026 teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny fiofanana mahakasika fanadihadiana nomerika nataon’ireo Mpanao famotorana eo anivon’ny Polisimpirenena sy Zandarimariam-pirenena, momba ny heloka anabaka ; mahakasika ny herisetra ara nofo mahazo ny zaza no nifantohana tamin’izany.
Izao fiofanana izao dia niarahana tamin’ny fikambanana International Justice Mission na IJM, ny National Center for Missing & Exploited Children na NCMEC, Meta Platforms Inc. (Meta), ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsaràna, ny Polisimpirenena ary ny Zandarimariam-pirenena.
-Tonga namarana sy nanome voninahitra izany lanonana izany ny Commissaire Divisionnaire de Police RABENANDRASANA Jean Marcel, Directeur de la Police Judiciaire ; ny Jeneraly RANAIVONAMPOIZINA Harilaza, Commandant des Ecoles et Formations de la Gendarmerie Nationale, ary Atoa Bill Maddox mpampiofana avy ao amin’ny IJM.
16 ny mpiofana tamin’izany ka Polisy miisa 08 sy Zandary miisa 08.
– Nisongadina tamin’ny Fampiofanana ny mahakasika ny heloka anabaka izay mihatra amin’ireo zaza tratran’ny herisetra ara nofo. Nisy ny fifampizarana traikefa sy fanamafisana ny fomba fanaovana famotorana.
-Nisaotra ireo mpampiofana ny teo anivon’ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariam-pirenena fa tena ilaina izao fampiofanana izao indrindra manoloana ny firoborobon’ny fampiasàna internet eto Madagasikara.



