FAMINDRAM-PITANTANANA

TALE VAOVAO ETO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA : VONONA HANOHY NY EZAKA EFA VITA ARY HAMPIAKATRA AVO NY VONINAHITRY NY POLISIM-PIRENENA.

Tontosa androany faha 11 Aogositra 2020 maraina ny famindram-pahefana teo amin’ireo tale isan-tsokajiny eo amin’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka izay vao voatendry tamin’ny filankevitry ny Minisitra farany teo. Famindram-pahefana nizotra tam-pirahalahina tanteraka teo anivon’ny :

– Coordonnateur de l’Inspection Générale de la Police Nationale , ny Contrôleur Général de Police RAJAOANARISON José Andrianasolo, vaovao handray ny toerana sy ny Contrôleur Général de Police RANDRIANANJOANIMANANA Georges Joël teo aloha handeha hisotro ronono,

– Directeur de la Police Judiciaire ny Contrôleur Général de Police HAJANOMENA Fanja Razatovo, vaovao handray ny toerana sy ny Commissaire Divisionnaire de Police SERALY HERCULE izay voatendry ho talem-paritry ny filaminam-bahoaka MENABE.

– Directeur de l’Ecole Nationale Supérieure de la Police ny Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIANIRINARIVELO Jean Yves Rémi, vaovao handray ny toerany sy ny Commissaire Divisionnaire de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ny Aina Mbolanoro  tale teo aloha izay voatendry ho talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

– Directeur de Systèmes d’Information et des transmissions ny Commissaire Divisionnaire de Police RANDRIAMAMPIANINA Harinaina Samisoa, vaovao handray ny toerany sy ny Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIAMANANTSOA Zakatiana Pierre Donatien teo aloha izay voatendry ho talem-paritry ny filaminam-bahoaka Anosy

 

Directeur de la Programmation, du Suivi et de l’Evaluation ny Commissaire Principal de Police VAVILAINA Clarisse Marie Elisabeth, vaovao handray ny toerany sy ny Commissaire Divisionnaire de Police RAMAMONJISOA Mamy Tahina Zo izay voatendry ho any amin’ny toeran-kafa.

IGPN

Plus impliquée dans la lutte contre la COVID-19 !!!

Retour
IGPN
FAMINDRAM-PITANTANANA

Vous pourrez aussi aimer