đźTratranâny Polisy tao an-tranony, ao Antanifotsy Sambava, ny talata 12 Novambra 2024, ilay tompon’antoka taminâny resaka halatra moto.
đAraka ny loharanom-baovao mari-pototra avy aminâolona tsara sitrapo hoe nisy lehilahy manafina moto halatra tao aminâny toeram-ponenany ao Antanifotsy Sambava dia nanao fisavana ny toerana ny polisy. Tratra tao tamin’izany ilay moto halatra.
Nandritra ny famotorana no nanambarany ny fomba nataony nahazoana ilay moto. Nifanaraka tamin’ny taxi-moto izy mba handeha ho any Ambalamanasy Andapa hividy lavanila. Dia nomeny ranom-boankazo izay efa nisy fanafody fampatoriana io ka rehefa hitany fa tsy nahatsiaro tena ilay tompony taxi moto dia nentiny nandositra.
â
Ho atolotra ny fampanoavana avy hatrany ny raharaha mahakasika izao halatra izao.
DRSP SAVA_SRPJ SAVA
