POLISY MISAHANA NY ZAZA TSY AMPY TAONA – FARITRA ANOSIBE : TRATRA ILAY TOVOLAHY 16 TAONA NANOLANA ZAZAVAVIKELY 07 TAONA NITARIKA TAMIN’ NY FAMOIZANY NY AINY

Nitaraina tamin’ny Ray aman-dreniny ilay zazavavy kely 07 taona ny 19 Oktobra lasa teo fa marary an-doha sy narary kibo lava ka notsaboina teny amin’ireny mpanao ody gasy ireny saingy mbola tsy sitrana. Rehefa noentin’izy ireo namonjy toeram-pitsaboana ( CSB II) indray ilay zaza dia voalaza fa niharan’ny fanolanana ka nasain’izy ireo namonjy haingana ny hopitaly Befelatanana. Fantatra fa namoy ny ainy ity zazavavy kely ity rehefa notsaboina nandritra ny andro maromaro.

Ny Polisy kosa tetsy Andaniny vao naharay ny fitoriana dia nanokatra ny fanadihadiana ary voasambotra tetsy Anosibe ny tovolahy 16 taona izay fantatra fa nanao ity fanolanana ity. Tao anatin’ny famotorana ihany koa no nahafantarana fa efa nisy olona miisa 02 tamin’ireo fianakaviana akaiky azy ihany koa no saika niharan’ny fanolanana nataon’ity tovolahy ity.

Raha hianjadian’ny herisetra ianao na ny manodidina anao dia :

Sahia miteny

Sahia mampahafantatra

Sahia mitory

Sahia mitoroka

Antsoy ireto laharan’ny polisy ireto hahafahanay manampy sy miaro anao :

POLICE DES MOEURS ET DE LA PROTECTION DES MINEURS : 034 05 703 73

BRIGADE FEMININE DE PROXIMITE : 813 ( LIGNE VERTE)

POLISY MISAHANA NY ZAZA TSY AMPY TAONA – FARITRA ANOSIBE : TRATRA ILAY TOVOLAHY 16 TAONA NANOLANA ZAZAVAVIKELY 07 TAONA NITARIKA TAMIN’ NY FAMOIZANY NY AINY

Vous pourrez aussi aimer