CAMP RAZAFINDRAZAKA BERTHIN ETSY ANTANIMORA : NOMENA MARI-PANKASITRAHANA IREO POLISY MIASA TSARA

Notolorana mari-pankasitrahana ireo Polisy nahavita be tamin’ny asany ka hita fa nipaka tamin’ny vahoaka ny asa fanampiana sy ny fiarovana nataon’izy ireo . Notsindrian’ Andriamatoa Minisitry ny filaminam-bahoaka fa : « anisany asa tsara nataon’ny Polisin’ ny « FIP » ny famonjena ilay zaza menavava saika nariana tany anaty daba-pako tetsy Namontana . Mila tohizana ny fihetsika toy ireny hoy izy fa izay no andrasan’ny vahoaka amintsika ».

Nisy koa ireo Polisy natokana hiady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika no nahazo brevet noho ny fiofanana vitan’izy ireo. Ankoatra izay dia tsy hadinon’ireo lehiben’ny Polisy ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo Polisy miasa ao amin’ny sehatry ny sosialy (Service Central des Actions Sociales) izay nahavita be tamin’ny fitsaboana sy fijerena ny fahasalaman’ireo Polisy nandritra ireny fotoana firongatry ny valan’aretina ireny.

 

CAMP RAZAFINDRAZAKA BERTHIN ETSY ANTANIMORA : NOMENA MARI-PANKASITRAHANA IREO POLISY MIASA TSARA

Vous pourrez aussi aimer