CSP 4 ISOTRY – ASA FANENDAHANA: TRA-TEHAKA IREO ANDIAN-JATOVO MPIFOKA RONGONY MIHARO FANENDAHANA MIARAKA AMIN’NY SABATRA ETSY ANTOHOMADINIKA.

09 lahy ireto andian-jatovo mpanendaka niaraka amin’ny Sabatra tratran’ny Polisy nanao fanamiana sivily tetsy Antohomadinika ireto. 16 taona no zandriny indrindra ary 21 taona no zokiny indrindra ary eny Antohomadinika sy Isotry no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Mpivaro-mandeha toy ireny mivarotra kojakoja ilaina amin’ny andavan’andro ireny no asan’ny sasany amin’izy ireto raha mpibata entana kosa ny hafa . Mifoka rongony izy ireo alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny ary efa maro ihany koa ny olona noratrain’izy ireo. Isaorana ny fiaraha-miasa amin’ireo olona tsara sitrapo tamin’ny fanomezam-baovao.
Nalefa any Antanimora 07 tamin’izy ireo raha lasa any Anjanamasina kosa ny zatovolahy miisa 02.

CSP 4 ISOTRY – ASA FANENDAHANA: TRA-TEHAKA IREO ANDIAN-JATOVO MPIFOKA RONGONY MIHARO FANENDAHANA MIARAKA AMIN’NY SABATRA ETSY ANTOHOMADINIKA.

Vous pourrez aussi aimer