ZAZA KAMBOTY TEZAIN’NY POLISIM-PIRENENA AO AMBATOLAMPY : TONGA NANOME FANOMEZANA AZY IREO IHANY KOA NY ORINASA STAR

Ny orinasa STAR dia isan’ireo mpiara-miasa miaraka amin’ny Polisim-pirenena, noho izany dia tsy hadinon’izy ireo ny nitondra fanomezana ho an’ireo ankizy kamboty tezain’ny Polisy ao Ambatolampy.

Nandritra ny fitsidihana nataon’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Sabotsy lasa teo no nanolorany ity orinasa ity boky sy zava-pisotro tsirairay ho an’ireo ankizy tezaina ao amin’ny akany.

Ny Zaza kamboty tahaka izao tokoa no tokony itondrana fanampiana koa isaorana eto ny orinasa STAR tamin’ny fanomezana nomeny.

ZAZA KAMBOTY TEZAIN’NY POLISIM-PIRENENA AO AMBATOLAMPY : TONGA NANOME FANOMEZANA AZY IREO IHANY KOA NY ORINASA STAR

Vous pourrez aussi aimer