DRSP VAKINANKARATRA : NANATANTERAKA HETSIKA FAMPIANARANA SY FANENTANANA HO AN’IREO MPAMPIASA LALÀNA NY POLISIMPIRENENA TAO ANTSIRABE, TAFIDITRA ANATIN’NY HETSIKA “OPERATION MAHOMBY”.

-‎Fandaminana ny fifamoivoizana sy ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana -‎Nanatanteraka fidinana ifotony teny an-dalambe ireo Polisimpirenena ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Vakinankaratra, izay notarihin’ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Vakinankaratra sy ireo mpiara-miasa aminy, nahitàna ny Kaomisaria Foibe Antsirabe ary ny CSP1 Ambohimena.