Ady amin’ny asan-jiolahy -Natolotra ny fampanoavana ny Talata 09 septambra 2025 ireo dimy lahy voasambotra tamin’ilay fanafihana sy famonoana ilay teratany karana iray tao Mahabibo Mahajanga ny 22 aogositra 2025. Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjan’i Marofoto avokoa izy dimy lahy.
