– Maro ireo olona misandoka mitondra compte Facebook ana tompon’andraikitra ambony, ary entiny misoloky ka manentana antsika rehetra mba ho mailo hatrany , mba tsy ho voafitaka na voasoloky.
MINISTERE DE LA SECURITE PUBLIQUE
– Maro ireo olona misandoka mitondra compte Facebook ana tompon’andraikitra ambony, ary entiny misoloky ka manentana antsika rehetra mba ho mailo hatrany , mba tsy ho voafitaka na voasoloky.
– Asa fampanarahan-dalàna. – Ny 26 Desambra 2025 maraina no nisy andian-jatovo maromaro (foroche) nanao an-kolafy ho andaniny roa ary niady an-dalambe sy nifanao herisetra teo anoloan’ny ny toeram-pivarotana « Maximum Plus » Antsiranana. – Nirotsaka an-tsehatra nandamina izany ireo Polisy nanao
– Ireo mpampianatra Katesizy avy amin’ireo EKAR an’ny fiangonana Katolika miisa dimy eny Itaosy indray no nisitraka ny fampiofanana momba ny ady amin’ny herisetra nomen’ny Polisimpirenena ny 27 Desambra 2025. Miisa 109 ireo mpanabe niatrika izany fampiofanana izany. – Nizara
– Taorian’ny famoahana filazana fikarohana mpamily fiarakaretsaka iray teny Alasora izay tsy nahenoam-baovao nanomboka ny 5 Desambra 2025, dia nanao ny fikarohana rehetra ny teto anivon’ny Polisimpirenena. – Rehefa hita ity mpamily taxi ity ny alin’ny 24 Desambra 2025 saingy
– Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka – Mandritra ny fetin’ny Noely dia miantoka ny filaminana sy ny fiarovana ny vahoaka ny Polisimpirenena ka nametraka paikady manokana ny Polisy mba hahafahan’ny mpiray Tanindrazana mifety am-pilaminana. – Araka izany, nampitombo ny
– Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka – Ao anatin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao dia miavaka ny nanatanterahana ny asa ho an’ny Sampan-draharahan’ny Polisimpirenena mikirakira ny fanaovana Pasipaoro eto Anosy. Ankoatra ny fanatanterahana am-pahombiazana ny asa ho fampiodinana ny Sampan-draharaha, dia
– Tsy diso anjara ireo zaza Kamboty Ivelan’ny Akany (KIA) fa nahazo fanomezana maro be avy amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ireo mpanohana ary mpiara-miombon’antoka miara-miasa amin’ny Polisimpirenena, tetsy amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, ny Talata faha 23 Desambra 2025. – Nisy
– Notanterahina ny 22 Desambra 2025 ny Noelin’ny Ankizy, ho an’ireo zaza kambotin’ny Polisimpirenena ao amin’ny Orphelinat Ambatolampy. – Tonga nanotrona sy nitarika izany tany an-toerana ny vadin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, Ramatoa Lantosoa ERICK MICHEL, niraka tamin’ireo tale isan-tsokajiny eto
– Ny Alakamisy 11 desambra 2025, tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva, nisy andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana toy ny antsy lava lela sy pilotra nanao fanafihana tao amin’ny tokantranona mpivarotra iray ao amin’ny Fokontany Ambalamanga Befitina, Nosy Be Hell-Ville.
– Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana – Ny 18 sy 19 Desambra 2025, nanatanteraka fanentanana sy fampianarana ireo mpampiasa lalana ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisarian’ Amparafaravola sy ny Poste de Police Morarano Chrome, manoloana ireo loza mateti-piseho izay vokatry ny tsy
– Tontosa tetsy amin’ny Gymnase Ankatso ny 20 Desambra 2025 maraina ny hetsika fampisehoana haiady nokarakarain’ny fikambanana Association Nationale Madagascar ITF Heng De. – Anisan’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena eo amin’ny sehatry ny fampiofanana momba ny
– Inspecteurs de Police miisa 149 sy Agents de Police miisa 996 avy amin’ny Andiany MANEVA no nahavita ny fiofanana teo anivon’ny ENIAP Antsirabe ka nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 19 Desambra 2025. – Ahitana vehivavy miisa 154 ity