Ekena ny fanaovanataingin-droa amin’ny MOTO ho an’ny olona tsy maintsy miaraka na tsy afaka misaraka fa ataovy ara-dalàna ny taratasin’ny MOTO, manaova aroloha, aza hadinoina ny taratasy fanamarinana ny rohim-pihavanana na ny taratasy famitana iraka miaraka ho an’ny mpiasa ; samia manao aroloha sy arotava.
TANDREMO ! taratasy fanamarinana no takiana amintsika manao taingin-droa amin’ny moto fa tsy fanambazana vola ny Polisy. Kolikoly izany, voararan’ny lalàna. Tadidio fa samy iharan’ny sazy ny mpanome sy ny mpandray « Aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy ».

HAFATRA AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA

Vous pourrez aussi aimer