Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
– Lehilahy iray 27 taona no nosamborin’ny Polisy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Ady amin’ny fidorohana sy fiparitahan’ny Zava-mahadomelina ao amin’ny faritra Diana, teo anoloan’ny biraon’ny fananan-tany, ao amin’ny Fokontany Lazaret-Nord, ny 1 Novambra 2025 noho ny fahatratrarana zava-mahadomelina mahery vaika “cristal” tany aminy.
– Tamin’ny fisavàna ny tranony dia mbola nahatratrarana fonosana an’ity zava-mahadomelina mahery vaika ity ihany koa tao aminy.
– Ny 11 Novambra 2025 dia naiditra am-ponja vonjimaika ity mpivarotra zava-mahadomelina ity rehefa niakatra fampanoavana. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany mpiray tsikombakomba aminy amin’izao raharaha izao.

 

LEHILAHY MPIVAROTRA ZAVA-MAHADOMELINA CRISTAL VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO ANTSIRANANA

Vous pourrez aussi aimer