-Voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Poste de Police( PPA )Ilanivato tetsy Ampasika ny lehilahy iray 22 Febroary 2026, noho ny halatra nataony tamin’ny mpampiasa azy.
-Efa nahazo ny fitokisan’ny mpampiasa azy ity lehilahy ity ka nasaina nanatitra vola vidin’entana 1.160.000 Ariary izy no tsy nipoitra intsony no sady tsy azo antso. Taorian’izay dia tsikaritra fa nisy milina fanjaraina sy lamba maromaro tsy hita tao an-trano, niampy vola 1 tapitrisa ariary.
-Nanao ny fikarohana ny Polisimpirenena ka izao tra- tehaka izao izy.
Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa laniny tamin’ny filokàna ny vola; namidiny avokoa ireo lamba sy ny sasany tamin’ireo milina indostrialy. Efa tafaverina amin’ny tompony ny entana sisa tsy lafony anisan’izany ny iray amin’ireo milina ireo.
-Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena alohan’ny anolorana azy ny Fampanoavana.

 

AMPASIKA, LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HALATRA NATAONY TAMIN’NY MPAMPIASA AZY, LANINY TAMIN’NY LOKA NY VOLA

Vous pourrez aussi aimer