– Tontosa ny 02 Martsa 2026 teny amin’ny CCI Ivato ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoham-pirenena na ny Assises de la Police Nationale 2026, fivoriana lehibe mikendry ny hamolavolana endrika vaovao ho an’ny Polisimpirenena mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana maoderina sy ho mendrika hatrany ny fitokisan’ny olom-pirenena sy ny fitondram-panjakàna.
– Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ireo mpanolo-tsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
– Nanotrona ny fotoana ihany koa ny Praiminisitra RAJAONARIVELO Herintsalama ; ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo, RALAMBOZAFIMBOLOLONA RAZAFITSIMIALONA Andriatsivoafetra, ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Governemanta ; ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ary ireo tompon’andraikitra sivily sy miaramila maro.
– Nampiavaka ny fotoana ny fanehoana firaisankina eo amin’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana. Tonga nanotrona izany ny Minisitry ny Foloalindahy sy ny Minisitra Delege Misahana ny Zandarimariampirena ; teo ihany koa ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ny Komandin’ny Zandarimariampirena.
– Ity fikaonandoha ity dia andraisan’ny Polisimpirenena rehetra anjara, amin’ny laharamboninahitra rehetra. Eo ihany koa ireo solontena avy amin’ny sehatra isan-karazany mifandraika amin’ny asa fametrahana filaminana sy fandriam-pahalemana, mba hahazoana hevitra mivaingana sy iraisan’ny rehetra.
– Nambaran’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaoazana ny Repoblika tamin’ny laha-teniny fa andraikitry ny rehetra ny fitandroana ny filaminana fa kosa miandrandra Polisy nohavaozina sy matihanina ny vahoaka.
– Tetsy an-kilany, ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, nilaza fa fotoana manan-tantara izao satria manamarika ny fiandohan’ny fanovàna lalina eo anivon’ny Polisimpirenena, fanovàna tsy voafetra amin’ny rafitra ihany fa mahakasika ihany koa ny toe-tsaina sy ny fomba fiasa.
– Fanamby lehibe amin’izao ny hahatonga an’i Madagasikara ho Firenena azo hivelomana am-pilaminana, hahafahan’ny vahoaka sy ny mpandraharaha mihary tsy misy ahiahy ary hitarika amin’ny fampandrosoana ara-toekarena izany.

FIKAONANDOHAM-PIRENENA HO AN’NY POLISIMPIRENENA MALAGASY 2026 : NANOMBOKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY TENY AMIN’NY CCI IVATO

Vous pourrez aussi aimer