– Notanterahina ny 20 Martsa 2026, teny amin’ny zaridaina Anosy, ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy ny fahatsiarovana ny faha-79 taona ny tolom-panafahana 29 Martsa 1947, andro lehibe iray manan-tantara eo amin’ny Firenena Malagasy ; nahafoizan’ireo raiamandreny ny ainy ho an’ny fahafahan’ny taranaka.
– Nanome voninahitra sy nanotrona ny fotoana ireo tomponandraikim-panjakàna ambony isan-tsokajiny. Naneho ny firaisain-kinany ireo Hery Fiarovana sy Filaminana. Nisolo tena sy nitarika ny Polisimpirenena ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette.
– Nisongadina nandritra ity lanonana fanokafana ity ny fisian’ireo hetsika maro isan-karazany, indrindra ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana natokana ho an’ireo zokiolona, ho mariky ny fankasitrahana sy fanomezam-boninahitra azy ireo.



