🎖️ Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Alatsinainy 01 Jona 2026, teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Analakely, ny lanonam-panokafana ireo hetsika rehetra ho fankalazàna ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanamarihana ny iray volan’ny Teny Malagasy, izay manasongadina ny maha-zava-dehibe ny teny Malagasy.
👥 Tonga nanome voninahitra ity lanonana lehibe ity ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, dia ny Jeneraly ZAFITASONDRY Ranoelison Marcelin sy ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry ; niaraka tamin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin. Nanatrika izany ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, isan’izany ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly MAMINIRINA Ely Razafitombo, ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL , ary ny Ministra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly MARIMA Bama.
🗣️ Nandritra ny lahateniny, nanamafy ny Jeneraly ZAFITASONDRY Ranoelison Marcelin fa fotoana manan-danja ho an’ny firenena izao fanombohana ny fankalazana ny niverenenan’ny fahaleovantena izao, indrindra fa miroso amin’ny Fanaovaozana ny Repoblika ny Malagasy. Nambarany fa ilaina ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana mba hahatratrarana ny tanjona « Fanavaozana ho an’ny fampandrosoan’i Madagasikara », izay teny Filamatra amin’ity fankalazàna ity. Namporisihiny ihany koa ny rehetra hanaja sy hampiroborobo ny teny Malagasy, na amin’ny fiteny izany na amin’ny fanoratra.
🤝 Nisy ihany koa ny antso nataony ho an’ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka mba tsy ho voatariky ny lalan-diso sy ny fanakorontanana, fa hanohy hatrany ny lalan’ny fahendrena sy ny firaisankina.
🎯 Nisongadina nandritra ny laha-teny nifandimbiasana fa tokony ho fitaratra sy ho maodely ho an’ny rehetra ny toe-tsaina feno fanoloran-tena sy fitiavan-tanindrazana ka hitondra amin’ny fampandrosoana.

