Tonga nitsidika ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, ny Alatsinainy 01 Jona 2026 tao amin’ny toeram-piasany etsy Anosy, ny Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa M.JI Ping.
🔷 Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Sinoa sy ny Ministeran’ny Filaminambahoaka ny dinika natao nandritra ity fihaonana ity, indrindra eo amin’ny sehatry ny fiofanana ho an’ny Polisimpirenena Malagasy.
🎓Noresahina manokana tamin’izany ny fampivoarana ny fahaiza-manao momban’ ny ady atao amin’ny heloka anabaka, ny fampiasana fitaovana maoderina hanamafisana sy hanafainganana ny fikarohana ireo fandikan-dalàna rehetra eo amin’io sehatra io, mba hahafahan’ny Polisimpirenena manatanteraka ny asany am-pahombiazana sy araka ny fenitra takiana iraisam-pirenena.
🛡️ Nandritra ny fihaonana ihany koa no nanamafisana fa hisy ireo Polisimpirenena Malagasy hisitraka fampiofanana iraisam-pirenena any Sina aorian’ity fihaonana ity.

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA : NITSIDIKA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA NY MASOIVOHON’NY REPOBLIKA ENTIM-BAHOAKAN’I SINA MIASA SY MONINA ETO MADAGASIKARA

Vous pourrez aussi aimer