🚨 Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
🏍️ Ny harivan’ny 06 Jona 2026 tokony ho tamin’ny 07 ora sy 15 minitra, naharay vaovao momba moto very tao Mananara-Avaratra ny Polisy tao Mandritsara ka nidina avy hatrany teny ifotony nanatanteraka ny fikarohana sy fanarahan-dia.
👮 Rehefa nahatazana ny Polisy ilay olon-dratsy dia niezaka nandositra ka raikitra ny fifanenjehana. Vokatr’izany dia voasambotra ny iray tamin’ireo voarohirohy ary mbola tratra teny aminy ilay moto voalaza fa very.
🛑 Raha ny fanazavan’ny tompon’ilay moto dia very tao Antanankoro Mananara-Avaratra izany ny alin’ny 06 Jona 2026 tokony ho tamin’ny 01 ora maraina.
🏢 Nentina eny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena ilay voasambotra ary misokatra ny fanadihadiana hahafantarana ireo mety ho namany sy ny antsipirian’ity raharaha ity.

MANDRITSARA : MPANGALATRA MOTO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAORIAN’NY FANARAHAN-DIA.

Vous pourrez aussi aimer