✅ Fampanarahan-dalàna
📌 Nosamborin’ny Polisimpirenena tao Manjakandriana ny lehilahy iray mpamily fiara sy olona iray noho ny fahatratarana ambodiomby azy ireo amin’ny fanaovana hosoka, fampiasana hosoka, fitondràna vokatra avy amin’ny fitrandrahana ala tsy nahazoana alalana, faniratsirana Polisy am-perin’asa ary fisandohana andraikitra sy fanaovana kolikoly.
👉Nandritra ny fisavana fiara teny Volavy Manjakandriana ny 01 Jona 2026 no nahatsikaritra taratasy hosoka momba ny entana nentin’ny fiarabe iray ny Polisy nanao sakana. Rehefa izany dia nanolotra vola avy hatrany an’ilay Polisy io mpamily io saingy tsy nanaiky nandray ilay Polisy satria fandikan-dalàna izany ary kolikoly.
⚡Nirifatra nandositra avy hatrany niaraka tamin’ilay fiarabe ilay mpamily rehefa tsy neken’ny Polisy izany fanaovana kolikoly izany, saingy tratra taorian’ny fanenjehana ary mbola nandrahona ny Polisy indray izy sy nilaza fa manana tompon’andraikitra ambony afaka manafaka azy ireo. Saingy tsy mbola nanaiky izany ny Polisy fa nanohy ny asany.
📌 Fantatra taoriana kely ihany koa fa nisandoka ho manamboninahitra ambony ilay lehilahy niantso ny Polisy ; voasambotra ihany koa io mpisandoka io ny 3 Jona 2026, fantatra fa mpitantana trano fisotroana no asany.
⚖️ Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny Fampanoavana ny 05 Jona 2026 izy roa lahy ka samy nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
MANJAKANDRIANA : OLONA ROA NIDOBOKA AM-PONJA NOHO NY HOSOKA SY FAMPIASANA HOSOKA ARY FISANDOHANA ANDRAIKITRA, NIAMPY FANAOVANA KOLIKOLY
