– Ady amin’ny asan-jiolahy
– Noho ny ezaka nataon’ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy ao Andapa dia voasambotra ny 02 Novambra 2026 ireo jiolahy miisa roa tompon’antoka tamin’ireo vaky trano maro nisesy tao an-toerana.
– Nandritra ny Fisavana ny trano fisitrihan’izy ireo dia mbola hita tao avokoa ireo entana halatra sy ireo fitaovana fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny.
– Mbola mitohy ny fikarohana ny naman’izy ireo.
– Atolotra ny fampanoavana izy ireo rehefa vita ny famotorana savaranonando.