đźTra-tehaky ny Polisy miasa ao aminâny CSP2 Ambohijatovo tetsy Ambohipo ny lehilahy roa noho ny resaka halatra moto.
đNy 01 Desambra 2024, tamin’ny 01 ora tolakandro dia nahazo vaovao ny Polisy mahakasika ny fahaverezana moto izay nitranga ny 28 Jolay 2024 tamin’ny 5 ora sy sasany hariva.
Polisy niasa teo amin’ny « 03 chemins » Ambohipo no nisambotra an’ireo olona roa nitondra ilay moto very sy nanao ny fanamarinana, ka iray tamin’izy dia mpitondra taxi-moto, 23 taona ary ny iray hafa dia mpanamboatra moto, 29 taona.
â
Lehilahy iray hafa 35 taona no voasambotry ny Polisinâny CSP5 Mahamasina tetsy aminâny Rond-Point Ankadimbahoaka ny
01 Desambra 2024, tokony tamin’ny 12 ora teo ho eo noho ny resaka halatra moto, izay very ny alinâny 30 Novambra 2024 tao Tsimbazaza araka ny filazan’ny tompony.
đźNentina eny amin’ny biraonâny Polisy avokoa moa izy ireo hanokafana fanadihadiana.
