Iangaviana izay mahafantatra an’ity vehivavy hita amin’ny sary ity mba hampandre ny fianankaviana akaiky azy ka haka azy etsy amin’ny Polisy misahana ny olona marefo na ny « Brigade Féminine de Proximité » eo Tsaralalana.
Nividy zavatra tamina tranombarotra lehibe iray tetsy Antanimena izy ka tsy nandoa vola rehefa tonga teny amin’ny caisse no sady niteniteny zavatra tsy mitombina. Ny mpiambina ity tranombarotra ity no nitondra ilay vehivavy teny amin’ny Polisy ka rehefa nanontaniana ny momba azy dia tsy nisy fantany ankoatra ny anarany izay nolazainy hoe « JULIE ».
Tsy nisy ny taratasy mahakasika azy ary tsy nahitana finday ihany koa izy ka anisany antony tsy nahalalana ny momba azy.
Efa eny amin’ny Brigade de Proximité etsy Tsaralalana izy ary miandry ny fianakaviany ho an’izay mahalala azy.

FILAZANA VEHIVAVY HITA

Vous pourrez aussi aimer