POLISIM-PIRENENA MIADY AMIN’NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA- FANAMORIANA MOTO : MAMPIRISIKA IREO MPANKAFY HIDITRA ANATIN’NY FIFANINANANA ARA-DALANA

Niara-niasa tamin’ny fikambanana « x’ inov créateur d’impact » izay nikarakara fifaninanana fanamoriana « moto » teny Imerikasinina ny Polisim-pirenena. Izany no natao dia ny hamporisihana ireo mpitondra moto hiditra amin’ny sehatry ny fanarahan-dalàna. Nisy ny fanentanana nataon’ireo Polisim-pirenena ho an’ireo mpanamory moto mba hitarika ireo namany hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna tahaka itony hisorohana ny tranga samihafa toy ny fanaovana « course sauvage » sy fandehanana mafy tsy amin’antony izay isany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana misesisesy sy hamoizana ain’olona maro.
Ny Polisim-pirenena dia vonona hatrany amin’ny fiaraha-miasa ho an’ireo mpikarakara fanamoriana moto tahaka izao atao anatin’ny fanarahana ny lalàna ary mamporisika ireo mpakafy rehetra hirona ao anatin’ny fifaninanana ary hiala ao amin’ny sehatry ny tsy fanarahan-dalàna.

POLISIM-PIRENENA MIADY AMIN’NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA- FANAMORIANA MOTO : MAMPIRISIKA IREO MPANKAFY HIDITRA ANATIN’NY FIFANINANANA ARA-DALANA

Vous pourrez aussi aimer