ORINASA RUN DONG INTERNATIONAL : NANOME FANAMPIANA ARA-TSAKAFO IREO KAMBOTY TEZAINA ANY AMBATOLAMPY

Vary, menaka, ronono, paty, ireo no anisan’ny fanampiana ara-tsosialy nomen’ny orinasa tsy miankina amin’ny amin’ny fanorenana ( immobilier)  » RUN DONG INTERNATIONAL  » ho an’ny zaza kamboty tezain’ny Polisim-pirenena any Ambatolampy.

Ny Tale jeneneraly sy ny Tale misahana ny maha olona an’ity orinasa ity no tonga nanome ilay fanampiana ary nilaza izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Polisim-pirenena izao fanomezana izao no sady fanampiana ara-tsosialy omena ireo olona mila izany amin’ izao akaiky Asaramanitra izao.

Tonga nandray mivantana ireto fanomezana ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ary nankasitraka sy nisaotra ny fanampiana tahaka izao indrindra amin’ny ankatoky ny fety izao mba ho tsapan’ireo Zaza kamboty fa misy mpiahy sy mijery ireo ankizy fa tsy irery.

ORINASA RUN DONG INTERNATIONAL : NANOME FANAMPIANA ARA-TSAKAFO IREO KAMBOTY TEZAINA ANY AMBATOLAMPY

Vous pourrez aussi aimer