FIKAONANDOHA MOMBAN’NY FANARAHAMASO NY FIVEZIVEZENA AN-DRANOMASINA SY NY FIAROVANA NY SERANAN-TSAMBO : MANDRAY ANJARA AMIN’IZANY NY MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

✅️ Mandray anjara amin’ny fikaonandoha nasionaly momban’ny fanarahamaso ny fivezivezena an-dranomasina sy ny fiarovana ny seranan-tsambo izay atao etsy amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny 14 sy 15 marsa 2024 ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.
📋 Hodinihina mandritra ny fikaonandoha ny fanamafisana ny paikady hiarovana ny sisin-dranomasin’ny Ranomasimbe Indianina mba hiadiana amin’ireo fandikan-dalàna mety hitranga amin’ny fivezivezena an-dranomasina toy ny fanondranan’olona an-tsokosoko sy ny fanaparitahana zava-mahadomelina.
🗒 Tanjona ny hamoahana politika iraisana ety anivon’ny ranomasimbe Indiana sy aty amin’ny faritra Atsinanan’i Afrika ho fiarovana ny sisin-dranomasina iombonona sy ny fanatsarana ny fandrindrana ny lalàna mifehy ny aro lozan’ny seranan-tsambo.
👮👮 Nanatrika ity fikaonandoha ity ireo mpisehatra amin’ny fanenjehana ny fandikan-dalàna an-dranomasina ka isan’izany ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka izay notarihin’ny Minisitra, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ireo mpiara miasa aminy.
✅️ Ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny sy ny « Commission de l’océan Indien » na COI moa no nikarakara ity fikaonandoha ity.

FIKAONANDOHA MOMBAN’NY FANARAHAMASO NY FIVEZIVEZENA AN-DRANOMASINA SY NY FIAROVANA NY SERANAN-TSAMBO : MANDRAY ANJARA AMIN’IZANY NY MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer