FITANDROANA NY FILAMINANA MANAKAIKY VAHOAKA : NIDINA IFOTONY TENY ANIVON’NY FONKOTANY TETO AN-DRENIVOHITRA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA SY NY MPIARA MIASA AMINY

✅️ Nidina ifotony teny anivon’ny FKT miisa telo teto an-drenivohitra ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ireo mpiara miasa akaiky aminy ny alarobia 27 marsa 2024 teo.
✅️ Nihaona tamin’ny mponina sy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny FKT Ambodirano Ampefiloha, FKT Anatihazo Isotry ary FKT Andranomanalina Centre ny tenany . Tanjona tamin’ity hetsika ity ny hifanakalozana amin’ireo vahoaka mba hijerena vahaolana maharitra amin’ny olan’izy ireo mahakasika ny tsy fandriampahalemana. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny Polisimpirenena izay vonona hatrany hiaro sy hanampy .
📣 Nanambara ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka fa manana andraikitra ihany koa ny vahoaka amin’ny fitandroana ny filaminana ary ilaina ny fiarahamiasa akaiky eo amin’ny roa tonta. Izany dia mifototra amin’ny fanabeazana ny mponina mba hanaja ny lalàna sy ny fandaminana .
Nanentana ny vahoaka ny Minisitra mba hifanome tanana amin’ny Polisimpirenena amin’ny fanomezam-baovao ka hiantso avy hatrany raha vao misy trangana fandikan-dalàna.
✅️ Ity fidinana ity moa dia tafiditra ihany koa amin’ny fanokafana ny hetsika SARIKA ataon’ny Polisimpirenena manerana ny Nosy izay haharitra 15 andro. Hifototra amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny ady amin’ny herisetra ary ny asan-jiolahy izany hetsika izany.Anatin’ity hetsika ity ihany koa ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fetin’ny Paska 2024.

FITANDROANA NY FILAMINANA MANAKAIKY VAHOAKA : NIDINA IFOTONY TENY ANIVON’NY FONKOTANY TETO AN-DRENIVOHITRA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA SY NY MPIARA MIASA AMINY

Vous pourrez aussi aimer