LEHILAHY ROA MPIVAROTRA SY MPANAPARITAKA RONGONY ENY SOAVIMASOANDRO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Ady amin’ny fiparitahana sy fidorohana zava-mahadomelina ➡️Tratran’ny Polisy avy ao amin’ny sampandraharahan’ny Stup Anosy, teo am-pivarotana rongony izy roa lahy ireto, ny atoandron’ny 30 Jona 2025 teny Soavimasoandro. ➡️Efa maro ny fitarainana voarain’ny Polisimpirenena mikasika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny an-toerana,

LEHILAHY ROA MPIDOROKA ZAVAMAHADOMELINA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TETSY AMPITATAFIKA ATSIMONDRANO — NAHATRATRARANA FITAOVAM-PIADINA MAHERY VAIKA TENY AMINY

Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ✅Loharanom-baovao mari-pototra no nampahafantatra ny Polisimpirenena fa misy lehilahy iray mitahiry sy midoroka zava-mahadomelina mahery vaika eny amin’ny manodidina an’i Faliarivo Ampitatafika. Nirotsaka an-tsehatra mba hahafahana manamarina ny zava-misy ny Polisy avy ao amin’ny Sampandraharaha «

ADY AMIN’NY VIH/SIDA : MISY NY FANENTANANA MITETY IREO KAOMISARIA

Fijerena ny lafiny maha olona ➡️Natomboka tao amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany Faharoa etsy Ambohijatovo ny talata 02 jolay 2025, ny hetsika fampahafantarana sy fanentanana momba ny fisorohana sy ady amin’ny VIH/SIDA. ➡️Ireo Polisy miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanatanjahantena niaraka tamin’ireo solotenan’ny

DAHALO MIRONGO FITAOVAM-PIADIANA NANAO FANAFIHANA FIARA 4×4 TANY AMIN’NY FARITRA MELAKY : MATY VOATIFITRY NY POLISY NY IRAY, VAKY NANDOSITRA NY AMBINY

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana ➡️Nitrangana fanafihana fiara ny marainan’ny faha 03 Jolay 2025 tao Analavory, ao amin’ny Kaominina Beravina, Distrikan’i Morafenobe, Faritra Melaky. Fiara an’ny ONG iray niainga tao Maintirano hihazo an’i Tsiroanomandidy no notafihin’ireo dahalo izay nirongo fitaovam-piadiana toy

ADY AMIN’NY KOLIKOLY : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FIFANAKALOZANA TRAIKEFA NIARAHANA TAMIN’I ZIMBABWE NY POLISIMPIRENENA MALAGASY

Ady amin’ny kolikoly ➡️Notanterahina ny faha 02 Jolay 2025 tao amin’ny Toby RATSIMANDRAVA ny fikaonan-doha niharahan’ny Parlemantera Zimbabweana sy ny sampan-draharaha avy amin’ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariam-pirenena miady amin’ny kolikoly. ➡️Nihatrika ity fihaonana ity Andriamatoa Goromonzi Chikwaka izay Lehiben’ny Sampana

KAOMISARIA VAOVAO AO VOHIBATO: POLISY 40 NO HIASA AO ANATINY

Vonona avy hatrany hiantoka ny Filaminam-bahoaka ao amin’ny Distrikan’i Vohibato, Fianarantsoa ireo Polisy 40 hiasa ao amin’ny Kaomisaria vaovao, izay ho tokanan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina rahampitso 03 jolay 2025. Nanome toromarika azy ireo androany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny