SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY (ENSP) IVATO : NISITRAKA FIOFANANA MOMBA NY FIROTSAHANA AN-TSEHATRA SY FITANTANANA NY TRANGA « TUERIE DE MASSE » NA FITIFIRANA OLONA MAROBE TAHAKA NY NITRANGA TANY AOSTRALIA NY POLISIMPIRENENA, NISY ZANDARY NANDRAY ANJARA IHANY KOA.

– Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Alatsinainy 12 Janoary 2026 teny amin’ny Toby Inspecteur Général de Police AMADY AUGUSTIN – ENSP Mamory Ivato ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “TUERIE DE MASSE”, karakarain’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana

TONTOSA TENY AMIN’NY SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY (ENSP) IVATO NY LANONANA FAMETRAHANA NY GALONA HO AN’IREO POLISIMPIRENENA NISONDROTRA LAHARAM-BONINAHITRA COMMISSAIRE PRINCIPAL DE POLICE SY COMMISSAIRE DE POLICE DE 1ERE CLASSE.

– Tontosa ny Zoma faha 09 Janoary 2026 teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato , ny lanonana ofisialy fametrahana galona ho an’ireo Polisimpirenena niakatra ho Commissaire Principal de Police sy Commissaire de Police de 1ère Classe. –

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA : TONTOSA NY FAMETRAHANA NY GALONA HO AN’IREO NISONDROTRA LAHARAM-BONINAHITRA CONTROLEUR GENERAL DE POLICE SY COMMISSAIRE DIVISIONNAIRE DE POLICE.

– Tontosa ny Alakamisy faha 08 Janoary 2025, tetsy amin’ny Espace Rose By-pass, ny lanonana ofisialy fametrahana galona ho an’ireo manamboninahitra ambony eto anivon’ny Polisimpirenena izay nahazo ny laharam-boninahitra Contrôleur Général de Police sy Commissaire Divisionnaire de Police. – Nitarika

MAINTIRANO : MPAMBOLY RONGONY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

– Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina. – Ny 07 Janoary 2026 maraina, taorin’ny angom-baovao mari-pototra, nidina ifotony tany amin’ny faritra Ambondro Ambatomitsangana, Fokontany Andranovoribe Massiso ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CRFIP Melaky, ka lehilahy iray mpamboly rongony no voasambotra ary mbola

LEHILAHY MPIDOROKA RÔRÔ MIISA EFATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FITANANA SY FIDOROHANA ITY ZAVA-MAHADOMELINA MAHERY VAIKA ITY TETSY ANTOHOMADINIKA.

– Ady amin’ny fidorohana sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina. – Lehilahy miisa efatra no voasambotry ny Sampandraharaha Miady amin’ny Zava-mahadomelina Anosy (STUP) ny Alatsinainy 05 Janoary 2026 tetsy Antohomadinika, noho ny fidorohana sy fitanana zava-mahadomelina mahery vaika rôrô. – Vaovao avy amin’ny