FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY VFP SY NY POLISIMPIRENENA : LEHILAHY IRAY TRATRA TEO AM-PANGALARANA JIRO AN-DALAMBE TENY ANOSIBE MANDRANGOBATO

Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ✅Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ireo vaomieran’ny fandriam-pahalemana tao amin’ny Fokontany Mandrangobato sy ny Polisimpirenena no nahatratrarana ity mpangalatra ny fananana iombonana ity ny maraim-ben’ny 29 Jona 2025. ➡️Isan’ny faritra tena lasibatra amin’ny fangalarana sy fanimbàna ny

OLONA ROA NIKASA HANONDRANA SIFAKA TRATRAN’NY POLISIN’NY PAF IVATO

Ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo zava-boahary sy zava-manan’aina arovana ✅Tamin’ny alalan’ny fampitàna angom-baovao nataon’ny Fitaleavana misahana ny ady amin’ny Kolikoly eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy no nahafantarana fa misy olona mikasa hanondrana biby arovana hivoaka an’i

NORAISIN’NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA IREO POLISIMPIRENENA MALAGASY MENDRIKA TAMIN’NY FIOFANANA TANY FRANTSA MBA HO FANKASITRAHANA SY FISAORANA AZY IREO, FA INDRINDRA MBA HO FAMPORISIHANA HATRANY HANOHY NY FAHAMENDREHANA EO AMIN’NY ASA

➡️Nandray sy naneho fisaorana ary fankasitrahana manokana ho an’ireo Polisimpirenena Malagasy roa, dia ny Commissaire de Police ANDRIAMIHARIMANANA Rojo sy ny Officier de Police SARISAINA Micky Neslon, izay nahavita ny fiofanana nandritra ny herintaona tany Frantsa ny Minisitry ny Filaminambahoaka,

FIOFANANA ANY IVELANY : NIVOAKA HO MAJOR DE PROMOTION NY POLISIMPIRENENA MALAGASY ROA, COMMISSAIRE DE POLICE SY OFFICIER DE POLICE NANARAKA FIOFANANA NANDRITRA NY IRAY TAONA TANY FRANTSA

Fijerena ny lafiny maha olona sy fionana mitohy ➡️Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Polisimpirenena malagasy sy ny Polisy frantsay dia misy hatrany ireo Polisy malagasy manaraka fiofanana amin’ireo Sekoly ambonin’ny Polisy any Frantsa isan-taona. ➡️Taorian’ny iray taona nanarahana ny fiofanana

AKANY AMBATOLAMPY : TSY DISO ANJARA FA NISITRAKA FANOMEZANA IHANY KOA IREO ZAZA KAMBOTIN’NY POLISIMPIRENENA AO AMIN’NY AKANY AMBATOLAMPY

Niaraka nifaly ary nizara fanomezana ho an’ireo ankizy avy ao amin’ny Akany fitaizàna ny zaza kambotin’ny Polisimpirenena ao Ambatolampy ireo raiamandreny mpiahy azy ireo eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, notarihin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ny

LEHILAHY IRAY NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FISOLOKIANA AMIN’NY ALÀLAN’NY FAMPIASANA ANARANA SANDOKA SY SARIN’OLONA NANGALARINA ANATY FACEBOOK.

Ady amin’ny heloka anabaka ➡️Mivarotra sary sy horonantsary mamoafady anaty facebook no fidiram-bolan’ity tovolahy ity. Mampiasa sarin’olon-kafa sy anarana hafa izy ka nisy tamin’ireo olona efa lasibatra tamin’ny fangaralana sary nataony no nitory tao amin’ny sampandraharahan’ny cybercriminalité Anosy. ➡️Niroso tamin’ny

TOY NY FANAONY ISAN-TAONA AMIN’NY HETSIKA ARA-TSOSIALY HO FANAMPIANA NY MPIARABELONA DIA NIZARA LAMBA FIRAKOTRA SY ARENDRINA HO AN’IREO TSY MANAN-KIALOFANA ENY ANDALAM-BE NY FIVAPOVA ANALAMANGA

Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao, dia nanatanteraka hetsika fanomezana ho an’ireo olona tsy manan-kialofana eny an-dalambe ny FIVAPOVA ANALAMANGA ny alin’ny 23 Jona 2025. Lamba firakotra sy arendrina no natolotra ho mariky ny fifanomezan-tanana sy ny firaisankina. ✅Ity

FITANDROANA NY FILAMINANA MIALOHA, MANDRITRA ARY AORIAN’NY FANKALAZANA NY FAHA 65 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA : NANKAHERY IREO POLISY MIASA MANDRITRA NY ALINA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

👉Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka ✅Nanatanteraka fidinana ifotony amin’ny alina teny amin’ireo toerana hiasan’ny Polisimpirenena ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ny alin’ny 23 Jona 2025. ➡️Nanotrona azy tamin’izany ireo tale maro sy tompon’andraikitra